<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J. Neander</author>
<hymn_number>131</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Tonga ny andro malaza,
 izay mahafaly,
 Indro nandresy Jesosy
 Ilay vao nijaly ;
 Velona indray Izy,
 natsangan'ny Ray,
 Aoka isika hifaly !

[V2]
 Efa nahery Jesosy,
 ka resy Satana ;
 Menatra mafy ireo
 fahavalo nitana ;
 Ka mba zahao :
 rava ny fasana izao,
 Rava, fa tsy nahatana !

[V3]
 Helo sy fahafatesana,
 resy tokoa,
 ary ny tambin'ny ota
 dia efa naloa ;
 Jeso, Izay maty ka
 velona indray,
 Tompon'ny aina tokoa !

[V4]
 Mba mihobia,
 ry olona mino rehetra ;
 An'i Jesosy ny hery
 izay tsy voafetra ;
 Izy nanao làlana tsara
 vaovao
 Resy ny ratsy rehetra.

[V5]
 Faly Isika fa manana
 fanantenana,
 Mbola hiantso Jesosy hoe :
 « Mitsangàna ! »
 Amin'izay, velona
 mandrakizay
 Ny nodimandry tra-bonjy.</lyrics>
<title>Tonga ny andro malaza FFPM131</title>
</song>